Flash
Préc Suiv

Zaka tsara: tsy miverin-dalana…

Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, hatao ny 7 novambara, izao. Amin’izany, mbola misy ihany ny manao hetsika momba izay fifidianana izay. Tsy inona fa karazana fitakiana amin’izay tokony hanemorana ny fifidianana noho ny tsy fanjariana amin’itsy na iroa.

« Misy mihaino? », hoy ny fitenin’ny tanora ankehitrio. Amin’ny fomba ahoana? Tongotra mby an-dakana, tsy afa-miverina intsony. Raha tsy izany, potraka na hisavoritaka eto… Ahoana izany? Politika io, ady fiady: miankina amin’ny fifandanjan-kery ihany. Mitsoka mankaiza ny rivotry ny tantara amin’izao?

Na ho inona aloha izay mety ho tohiny sy vokany amin’ny ahiahy etsy sy eroa, tsy afa-miverina intsony. Rehefa tsy azo iverenan-dalana ny raharaha na tsy te hiverin-dalana ny maro anisa amin’izay fifandanjan-kery izay, sao ny tena mahita izany ho tsy mety no mila miverin-dalana na miala an-daharana?

R. Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.