Flash
Préc Suiv

« Tremplin Madajazzcar »: lasan’ny tarika Or’pair ny fandresena

« Tremplin Madajazzcar »: lasan’ny tarika Or’pair ny fandresena

Tontosa, ny talata hariva teo tetsy amin’ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba, ny famaranana tamin’ny “Tremplin Madajazzcar”, sehatra iray hanondrotana sy hanandratana ireo tanora manan-talenta mpiangaly jazz. Nambabo ny fon’ny mpitsara ary heverina fa niavaka tamin’ireo tarika dimy nifaninana ry Or’pair, misy an’i Idéal Vahantsaina Muanza Randriamiadana sy i Tantely Ny Aina, samy mitendry gitara.

Ny Higher, ny In-Tellô, ny The Thunders’band ary ny Quartix. Ireo ny tarika nifaninana tamin’izy mirahalahy tamin’ity andiany faha-29 amin’ny “Festival Madajazzcar” ity. Sehatra iray manokatra ny varavarana ho any amin’ny matihanina kokoa ny “Tremplin Madajazzcar”. Marobe ireo efa nahita fahombiazana tamin’izany ary efa tsy zovina intsony amin’ireo mpankafy jazz sy ny mpiangaly ity mozika ity.

Vita ny fifaninanana, saingy mitohy hatrany ireo hetsika sy seho samihafa, mbola tafiditra ao anatin’ity “festival” ity, izay tsy hifarana raha tsy ny 13 oktobra izao. Ho an’ny rahampitso àry, hifamotoana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina indray ireo mpankafy, ao anatin’ny “Podium jazz”, efa mahazatra ny mpanaraka ny hetsika. Hanafana ny sehatra amin’izany ny AF Jazz sy ny Jazz club ao amin’ny CGM ary ny Ancient Agents, vahiny avy atsy Afrika Atsimo.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.