Flash
Préc Suiv

RN 2: tratra ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

RN 2: tratra ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

Ravan’ny polisy ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina Ambinaninony, distrikan’i Brickaville RN 2 tato ho ato. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny fokontany Ampasimadinika, Ambohimarina, Sahavandana, Anjamamy. Ny asabotsy alina teo, tokantrano miisa fito indray nisy nanafika tao an-toerana. Vokany, olona maromaro, naratra mafy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, mbola miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny telo amin’ireo niharam-boina ireo vokatry ny tifitra nahazo azy ireo. Basy calibre 12 no ampiasain’ireo mpanafika. Afakomaly tolakandro, niaraka nanao hetsika manokana ny polisin’ny Fip sy ny UIR manoloana ity trangana fanafihana ity ary nidina tany ifotony mihitsy nanao fikarohana ireo jiolahy. Nahitam-bokany satria nifanome tanana tamin’ny polisy ireo sefo fokontany. Voasambotra ny roa tamin’ireo jiolahy. Izy roa lahy ireto izay voaporofo fa mpanao fanafihana mitam-piadiana araka ny porofo teo am-pelatanan’ny fokonolona sy ny polisy. Voasambotra niaraka tamin’izy ireo koa ny lehilahy iray 43 taona miasa amina tetikasa iray ary mahalala tsara ireo tanàna sy ny lalana ary mpandraharaha ao amin’ny kaominina Ambinaninony. Io lehilahy io no mpanoro lalana ireo olon-dratsy sy mpanome ny mombamomba ny tokantrano hotafihina.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique