Flash
Préc Suiv

Kick-boxing: mitohy hatrany ny ady ho an’ireo Malagasy any Sina

Kick-boxing: mitohy hatrany ny ady ho an’ireo Malagasy any Sina

Mitady hatrany izay haha matihanina ireo mpikatroka kick-boxing malagasy lasa any Sina ny eo anivon’ny klioba, ny Lion Force Club. Mpikatroka miisa efatra mirahalahy indray no hiakatra ringa, ny 12 sy 13 oktobra ho avy izao: i Odilon, i Mahery, i Miri Johnson ary i Faray Pierre.

Taorian’ny ady nataon’i Odilon sy i Mahery niaraka tamin’i Voary sy i Tojo, ny 29 septambra lasa teo, hisy indray ny katrok’ady manaraka, hatrehina amin’ity faran’ny herinandro ity. Mbola ho hita ao anatin’ny lisitry ny mpifanandrina hatrany i Odilon, ho an’ny sokajy latsaky ny 63 kg. Toy izany koa i Mahery, eo amin’ny latsaky ny 75 kg, samy nahazo isa tsara avokoa, nandritra ny ady farany nataony. Ny “combat défi” no hataon’izy roa lahy miaraka amin’i Miri Johnson, sokajy latsaky ny 57 kg. Ankoatra izay, hisy ny ady “Top King Chine”, handaraisan’i Faray Pierre anjara, ao anatin’ny sokajy latsaky ny 61 kg. “Ezahina hatrany ny manome fanazarantena tsy tapaka ho an’ireto mpiady malagasy ireto hahafahany manohitra tsara ny mpifanandrina aminy”, hoy i Jakoba Gilbert, mpiandraikitra teknikan’ny Glorious Tunal, ity vondrona ity izay nanome lanja ny mpikatroka malagasy ka nahazoana fahafahana hiatrika izao ady izao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.