Flash
Préc Suiv

Imbiki Herilaza: « Tsy ampy ny fanentanana »  

Imbiki Herilaza: « Tsy ampy ny fanentanana »  

« Efa misy ny lalàna fa ny fanabeazana sy ny fanentanana avy amin’ny tomponandraikitra tsirairay avy no tsy ampy amin’izao fotoana izao », hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza.

Be dia be ny lalàna misy. Eo aloha ny lalàna manokana mifehy ny fifidianana. Efa milaza izay fa tsy azo atao ny manaratsy sy ny mandranitra ary ny manao zavatra tsy mety ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Eo koa ny lalàna velona misy momba ny fifandraisana na ny serasera, ny lalàna momba ny « cybercriminalité », ny fehezan-dalàna famaizana izay efa nihatra hatramin’izay…

Ilaina ny fandraisana fepetra

Manoloana izany, mila mandray fepetra ny fanjakana amin’izay fahefana eo an-tanany. Eo, ohatra, ny eo anivon’ny fampanoavana, ny mpitandro filaminana, ny tomponandraikitry ny fifandraisana… Mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana ao anatin’ny fampielezan-kevitra izany.

Mbola tsy azon’ny ankamaroan’ny vahoaka vao mianatra demokrasia toa an’i Madagasikara ny atao hoe fampielezan-kevitra. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny herisetra mandritra ny fampielezan-kevitra.

Ny fampahafantarana ny vinam-piarahamonina sy ny fandaharanasa amin’izany ary ny maha izy azy ny kandidà izay manolotra izany amin’ny mpifidy no tokony ho hita sy voizin’ny rehetra mandritra ny fampielezan-kevitra.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.