
Manao tohivakana. Nanao fanambarana ny depioten’Atsimondrano, Randriarimalala Harijaona na i « Jaona Elite » fa hanohana ny kandidà Rajoelina amin’izao fifidianana izao. “Nijery sy namakafaka izahay sy ireo mpiara-dia aminay manoloana ireo kandidà 36. Nodihina avokoa ny vina sy ny fandaharanasany. Resy lahatra izahay fa hany kandidà tokana fa afaka hampandroso ny firenena miaraka amin’ny vinany ny kandidà laharana faha-13, Rajoelina”, hoy izy tetsy Anosy, omaly. Nanteriny fa hiezaka hitety faritra amin’ny fanohanana ny mpanorina ny IEM izy ireo. “Tafiditra ao anatin’ny vinany ny hampandrosoana an’Atsimondrano. Eo ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny olan’ny rano, ny fitohanan’ny fifamoivoizana… Hovahana haingana izany”, hoy ihany izy. Midika izany fa lasa nanara-dia ity kandidà ity koa ity depioten’Atsimondrano, izay fantatra tamin’ny naha HVM azy an-taona maro, ity.
Randria
Les commentaires sont fermées.