Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Mitaraina amin’ny tsy mbola  nahatongavan’ny angidimbiany ny kandidà Ny Rado Rafalimanana. « Gaga izahay fa nosakanana  tsy hiditra  eto  ny angidimby  roa tokony hiditra  eto,  hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra.  Mahalala anefa  izahay fa ny kandidà  hafa nampiditra malalaka izany fitaovana izany », hoy  ity kandidàn’ny Fanahy maha olona ity  tetsy amin’ny foiben-toerany  etsy Isoraka,  omaly. Nametra-panontaniana  izy ireo, ny anton’izany,  ambaran’izy ireo  fa fanilikilihana sy sivana  izany.  “Mitandro  ny fihavanana  izahay ary manaraka ny lalàna sy ny  lamina rehetra nefa iharan’ny mizana tsindrin’ila”, hoy  ihany izy ireo.  Manoloana  izany,  nilaza  ny hampiakatra ny  raharaha eo amin’ny  sehatra iraisam-pirenena izy ireo  raha  tsy mivaha  izao  olana  izao.

Nivoaka  ny marina momba ny fanambaran’ny kandidà Mailhol. Tsy mitombina  ary tsy marina velively ny nambaran’ity kandidà mitondra  ny vinan’ny fahazavana ity  amin’ny filazany  fa tsy  voasoratra anaty lisi-pifidianana ny tenany. Herinandro vitsy lasa ny nanaovany fanambarana ampahibemaso izany. Tsy nitazam-potsiny anefa ny mety ho voakasiky ny  raharaha.  Nojeren’ny tompon’andraikitra samihafa sy voamarina izany ary  mbola  nohamafisin’ny CFM fa tena  voasoratra tokoa ao anaty lisi-pifidianana ny kandidàn’ny GFFM. Tsiahivina rahateo fa anisan’ny fepetra  ahafahana mirotsaka hofidina ny  maha mpifidy  voasoratra anarana ao amin’ny fokontany.  Tsy mazava izany ny anton’izao fihetsik’ity kandidà sady pastera ity izao.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.