Flash
Préc Suiv

Famaranana ny faha-50 taon’ny FJKM: hisy fanompoam-pivavahana lehibe eo Mahamasina

Famaranana ny faha-50 taon’ny FJKM: hisy fanompoam-pivavahana lehibe eo Mahamasina

Tonga amin’ny famaranana ny fanamarihana ny faha-50 taon’ny FJKM sy ny faha-200 taona nahatongavan’ny misiona LMS teto Madagasikara. Hisy fanompoam-pivavahana lehibe hotontosaina eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady 21 oktobra, iombonan’ny zanaky ny FJKM rehetra. Manakatona ny hetsika ny asa sy fampaherezana aorian’izay. Eny ny fotoana iombonana ka mikatona avokoa ny fiangonana amin’io andro io, araka ny fanazavan’ny mpikambana amin’ny komity mpikarakara ny fankalazana, ny pasitera Randriamorasata Roger, omaly. Ankoatra izay, misy hetsika manomboka ny zoma eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana miendrika vela-kevitra momba ny mpino protestanta sy ny fiainam-pirenena. Manohy ny fankalazana, ny ampitso, ny fitokanana tsangambato eny amin’ny Kolejy teolojika Ivato.

Efitrano ahitana rihana telo no hotokanana amin’io fotoana io izay tsangambaton’ny faha-50 taona. « Ho toeram-pampianarana mpitandrina ny fotodrafitrasa vaovao hanampiana ny isan’ny mpitandrina voaofana isan-taona », hoy ny nambarany ihany. Rehefa vita ny efitrano vaovao, ho 100 ny mpitandrina vita fiofanana raha 50 na 60 ihany ny teo aloha. Amin’izao fotoana izao, 45% amin’ny filana mpitandrina ihany no voavaly. 1 300 ny mpitandrina miparitaka manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. 7 000 ny fiangonana ary 3 000 ny fitandremana. Tanjona ho min’ny taona ho avy ny hananan’ny fiangonana tsirairay mpitandrina misahana azy.Tsy eto Madagasikara ihany fa efa misandrahaka any ivelany toy ny any Frantsa sy any Kanada, any Etazonia ny FJKM.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.