Flash
Préc Suiv

CEDS: nivoaka ny andiany “Dr Jules Ravony”

CEDS: nivoaka ny andiany “Dr Jules Ravony”

Notanterahina teny amin’ny hotely Carlton Anosy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-14 “Dr Jules Ravony” avy ao amin’ny Centre d’études diplomatiques et Stratégiques na CEDS. Manana olona voaofana manokana tao amin’ity ivontoeram-piofanana momba ny diplomatika ity ny eo anivon’ny polisim-pirenena ary mifandraika indrindra amin’ny vina apetraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka momba ny ady amin’ny kolikoly izany. Isan’ireo 11 nahazo ny “mention très bien”, nandritra ny fiofanana tao amin’ny CEDS, ny kaomisera Rasamoelimihamina Niry, lehiben’ny kaomisarian’Itaosy. Ho an’ny polisim-pirenena manokana, zava-dehibe ny fananana olona niatrika fiofanana tao amin’ny CEDS toy izao satria isan’ny ady ataon’ny polisy ankehitriny ny ady amin’ny kolikoly kanefa amin’ny maha polisy manokana, manampy ny fahaiza-manao eo am-piatrehana ny asa eny anivon’ny kaomisaria ny fiofanana toy izao, raha ny fanazavan’ny kaomisera Niry. Amin’ny maha polisy koa anefa, ahafahana mampivelatra ny fifandraisana, hanatsarana ny asa syh ahazoana mandroso hatrany koa. Ny fahamendrehana amin’ny asa no niompanan’ny fiofanana tao amin’ny CEDS. Ray mpiahy ny andiany faha-14 ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidimanana Jean Louis. Nopotsipotsirin’ity tale jeneralin’ny Bianco ity fa tsy misy fampandrosoana raha tsy fongorina ny fanetribe rehetra manimba ny sehatrasa rehetra ka isan’izany fanetribe izany ny kolikoly ary isan’ny manimba ny firenena izany. 

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique