Flash
Préc Suiv

Boriborintany III: raikitra ny fifaninanana “Tanàna madio”

Boriborintany III: raikitra ny fifaninanana “Tanàna madio”

Ho fampandrosoana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hisy ny tetikasa  hatomboka eny anivon’ny fokontany ao anatin’ny boriborintany fahatelo. Vatsin’ny mpiara- miombon’antoka vola sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Novorina ireo sefo fokontany miisa telo, ny RF2 ary ny REF tetsy amin’ny boriborintany Fahatelo Antaninandro, notarihin’ny delege, Razafitsalama Hery, sy ireo tompon’andraikitra maro ao amin’ity boriborintany ity.
Nampahafantarina azy ireo fa hahazo famatsiam-bola avy any amin’ny mpiara- miombon’antoka ny CUA, fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny roa tonta hoentina hanatsarana ny fokontany. Anisan’izany ny toeram-panasan-damba, ny EPP, ny GEG, ny lycée…  Mila fanatsarana, na mila manao fotodrafitrasa vaovao koa ny fokontany sasany tsy ahitana izany.

Mialoha ny hanaovana ny tetikasa, hisy ny fifaninanana “Tanàna madio” isaky ny fokontany tsirairay miaraka amin’ny RF2 sy ny mponina. Hanomboka ny 15 oktobra izao hatramin’ny 15 febroary 2019 izany.

Ny alatsinainy izao, tsy maintsy hanatitra ny fandaharananasany ny isaky ny fokontany tsirairay avy amin’ny asa fanadiovana ataony (daty, toerana, hetsika hatao). Marihina fa indray mandeha isam-bolana no hanaterana ny fandaharanasa fanadiovan’ny fokontany.

Izay fokontany mahazo ny laharana voalohany amin’io fifaninanana “Tanàna madio “ io no hanombohana ny tetikasa nahazoana famatsiam-bola ary hahazo tombontsoa bebe kokoa mihoatra no ho ny hafa.

Mikasika ny RF2 isaky ny fokontany, velomina izay maty, hatsangana izay marefo. Mila manao tatitra any amin’ny boriborintany koa ireo fokontany manana olona eo amin’ny daba fanariana fako.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.