Flash
Préc Suiv

Basikety – “Alley Hoop”: ekipa 16 hiatrika ny famaranana

Basikety – “Alley Hoop”: ekipa 16 hiatrika ny famaranana

12 taona aty aoriana, niverina indray ny fifaninanana basikety “Alley Hoop”, karakarain’ny RDJ.  Lalao, nanomboka ny 29 septambra lasa teo. Efa voafaritra taorian’ny fifantenana faharoa,  notanterahina, ny faran’ny herinandro lasa teo ireo ekipa 16 hiatrika ny famaranana, hatao ny 13 sy 14 oktobra ho avy izao, ao Mahamasina.

Vita omaly ny fisarihana nitsinjarana ireo ekipa tafakatra ireo, nozaraina ao anaty vondrona efatra ahitana ekipa 4 avy. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao ny asabotsy, tsy hisy fotoana very satria henjikenjika ny fifaninanana. Samy hilalao in-telo avy ny ekipa tsirairay, amin’io andro voalohany io, izay hatao amin’ny kianja roa samy hafa. Loka goavana no hozaraina ho an’ny mpandresy, anisan’izany ny lelavola, ny fanomezana avy amin’ny Orange ary ny amboara. Ankoatra ny resaka fanatanjahantena, hisy ny hetsika hafa ho hita eny an-toerana, toy ny tranoheva maro isan-karazany. Ny hahazoana fahafinaretana ho an’ny rehetra no tanjona,  raha ny fanazavana nentin’ny avy eo anivon’ny RDJ.

Vina apetraky ny mpikarakara ity fifaninanana ity ihany koa ny hampangaraharana ny lalao, indrindra eo amin’ny hala-taona izay mateti-pitranga. Ho hentitra, araka izany, ny fanaraha-maso ny eo amin’ny lafiny teknika sy ireo mpilalao. Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny mpitsara fa tsy afaka milalao amin’ity “Alley Hoop”, ity ireo ao amin’ny N1A

 

Mi.Raz

 

Ireo ekipa isam-bondrona

 

Sokajy “A” : 1 – Amboma Miray ;  2 – Team Way ; 3 – Viking ; 4 – Team Gen

Sokajy “B” : 1 – SMBA ;  2 – TACBB ; 3 – Soldat Makafoka ; 4 – Zay One

Sokajy “C”: 1 – BCM ; 2 – Dragon ; 3 – AMBOUPS ; 4 – 67 Unity

Sokajy  D : 1 – ECBBA ; 2 – BCR ; 3 – ABB ;  4 – Jack Krew

 

Les commentaires sont fermées.