Flash
Préc Suiv

Andranotapahina –Talatamaty: tsy manaiky ny fandravana ny fananany ny mponina

Nanao hetsika, omaly maraina teny Talatamaty, ny mponina avy eny Talatamaty sy eny Andranotapahina amin’ny faritra andalovan’ny lalana kasain’ny fanjakana hapetraka hanalana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra. Mandalo tanàna sy toeram-pambolena maro ny lalana vaovao ka mandrava ny fihariana sy ny sosialin’ny vahoaka maro aman’aliny. Manoloana izany, nanolotra hevitra amin’ny tokony hanamboaran’ny fanjakana ny lalana efa nisy teo aloha avy eo amin’ny rond point eo Ambohitrimanjaka mihazo an’Andriantany ary mivoaka amin’ny PK 16 eo amin’ny lycée Ambohidratrimo ary mitohy hatraty amin’ny toerana manakaiky ny Don Bosco Ivato izy ireo. Lalana efa nisy teo io naroson’ny mponina ho vahaolana io ary tsy handaniana volabe, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina, i Tazafimanantsoa Celestin, omaly. Tsy nihaino ny soso-kevitry ny vahoaka voakasiky ny fandravana ny fanjakana satria efa tonga teny an-toerana hanototra tany ny milina ny volana novambra 2017 lasa teo. Mangataka ny kandidà hijery akaiky io zava-misy io ny vahoaka satria manao amboletra ny asa fanaovan-dalana tsy nierana tamin’ny vahoaka akory. Nisolo vava hiaro ireto vahoaka ireto ny maitre Razafinjatovo Willy. Nanatrika ny hetsika, omaly, koa ny mompera avy ao amin’ny Don Bosco.

Vonjy A.           

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique