Flash
Préc Suiv

Tselatra

Saron’ny zandary teny Ambohimalaza RN 2, PK 12, ny herinandro teo, ny kamiaobe iray nitondra vatosoa milanja 15 taonina avy any Marovola, Ranomafana Atsinanana, distrikan’i Brickaville. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalàna mitondra ity vato ity tany amin’ny mpamily. Nalefan’ny zandary any amin’ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany ny raharaha. Nogiazana kosa ireo vato ireo.

Dahalo iray maty voatifitry ny zandary nandritra ny fanarahan-dia teo anelanelan’i Marotsiela sy Ankondromena, ny alahady teo. Nikasa hanao fanafihana ry zalahy ireto kanjo nifanehatra tamin’ny zandary ka rava teo ny teti-dratsin’izy ireo.

 

Les commentaires sont fermées.