Flash
Préc Suiv

Nanohitra teo am-pisamboran’ny zandary azy: maty voatifitry i Talata, lehiben’ny ”Bande des 11”

Nanohitra teo am-pisamboran’ny zandary azy: maty voatifitry i Talata, lehiben’ny ”Bande des 11”

Nihevitra ny hanao sambo-belona azy ihany ny zandary, saingy mbola nanohitra ihany ny lehilahy. Voatery nampiasa ny fitaovana teo am-pelatanany ny mpitandro filaminana ka lavo tamin’izany i Talata, lehiben’ny ”Bande des 11”, mpanao asan-jiolahy mahery vaika ao Toamasina.

Maty voatifitry ny zandary tany Ambalamanasy Toamasina i Talata, voalaza fa lehiben-jiolahy any an-toerana ary tena mampihorohoro mihitsy. Namaly ny zandary saika hisambotra azy izy io, ary izao niafara tamin’ny tifitra izao.

Nametraka paik’ady ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny « Hetsika

Fandio », ary nahazoan’izy ireo loharanom-baovao fa izany ekipan’ny « Bande des 11 » izany ny tena tambajotran-jiolahy mahery vaika any Ambalamanasy Toamasina.

Niezaka ny nitondra fitarainana tamin’ny prefetn’i Toamasina, i Benandrasana Cyril, ny sefo fokontany ny tokony hametrahana mpitanndro filaminana any an-toerana satria isaky ny misy asan-jiolahy, misy fahatarana hatrany ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Anisan’ny antony nametrahana zandary ao amin’ny fokontany Ambalamanasa, anatin’ izao “Hetsika Fandio » ataon’ny zandary izao, izany.

Nambaran’ny kolonely Ranaivoarison Théodule, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana ny zandarimaria Atsinanana, fa nisy vokatra izany ny alin’ny alahady 7 oktobra teo fa lavon’ny balan’ny zandary i Talata, 35 taona, lehiben’ny andian-jiolahy antsoina hoe « Bande des 11 ».  Nambaran’ny fokonolona fa tena mampitondra faisana ny mponina eny amin’ny faritra Ambalamanasy iny ireo jiolahy ireo. Ny fokonolona rahateo, matahotra azy avokoa. Raha ny loharanom-baovao hatrany, efa nihevitra ny hisambotra azy velona ny zandary, saingy nanohitra ilay jiolahy ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ny mpitandro filaminana. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, mbola tsy nisy fianakaviana naka ilay razana ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe.

Mafana amin’ny asan-jiolahy

Mitana ny lohalaharana amin’ny asan-jiolahy mihitsy ny any Toamasina. Any avokoa ny ahitana ireo karazana asa ratsy rehetra, toy ny kidnapping, ny fanafihana, ny fanolanana. Faritra tena ahitana fitsaram-bahoaka matetika ihany koa any. Mihevitra ny olona any an-toerana fa haharitra ny hetsiky ny zandary fa tsy handalo fotsiny. Tsy maharitra anefa ny hetsika tahaka itony fa miankina amin’ny tetibola omena ny mpitandro filaminana ihany ny faharetany. Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana ka asa izay vola ampiasaina hampaharitra ireny karazana hetsika ireny.

Sajo sy Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique