Flash
Préc Suiv

Aleo hilamina…

Aleo hilamina…

Raikitra izany izao ny fampielezan-kevitra… Hanakoako any an-dohasaha sy ny tanety, hatreny an-tanana sy an-dalambe ary amin’ny kianja malalaka rehetra eny, ny kabary, ny hira sy ny fanentanana samihafa, otronin’ny mpanakanto. Arahin’ny fampanantenana izatsy sy izaroa izany satria hita sy re ary heno avokoa fa izao ny olana sy ny hetateha ary ny fanirian’ny vahoaka. Izao ny maharary sy ny tsy zaka…  Eo koa ny fizarana tee shirt sy ny kojakoja  momba ireo kandidà… Manampy izany ny tolotra madinidinika miseho amin’ny endriny maro ka ilay efa iviny kely sisa tonga any amin’ny farany ambany… Na eo aza anefa izany rehetra izany, aleo ihany hilamina fa tsy ho taitaitra ambony sy hoentanim-po amin’ny  tsy misy dikany… Tsy hitovy ny hevitra ary hizarazara ny mpianakavy sy ny mpihavana. Ny namana sy ny sakaiza hatramin’ny olon-tiana satria samy hanana ny kandidà hotohanany. Tahaka izany koa ny fikambanana, ny fiangonana… Tokony hotsaroana anefa fa ny fiarahamonina, mitoetra. Mandalo fotsiny ihany ny fifidianana, isaky ny dimy taona. Dieny izao anefa, efa tokony horaisina avokoa ny fepetra rehetra… satria tsy milamina ny tany.  Ny hamisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa ka aleo ihany miomana sy mailo. Efa nisy ireo milaza ankolaka na mivantana ny tsy fahatokisany ny mpikarakara fifidianana eny Alarobia. Efa mandeha avokoa ny resaka fa misy kandidà homena tombony manokana na koa efa mivonona ny tsy hanaiky ny ho vokatra eo. Efa nabaribarin’ny sasany ny resaka lisi-pifidianana manilika olom-pirenena, ny tsy mazava amin’ny isan’ny birao fandatsaham-bato… Ny fampitomboana ny isan’ny mpifidy any amin’ny faritra tany lavitra andriana rehetra any… Tokony hitondra fanazavana tsy an-kiato ny tompon’andraikitra hanalana ny ahiahy tsy ihavanana. Hifanjevo sy hikorontana ambony ambany eto isika rehefa tsy mazava dieny aty am-piandohana ny raharaha. Mba tsy ho sorona sy tratra farany hatrany na ho zary lasa tohatra fiakarana eto ny vahoaka sy ny mpifidy… Aleo hilamina ihany isika rehetra e !

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.