Flash
Préc Suiv

« Raharaha  Anjozorobe » – Fitakian’ny Antandroy: “Aiza ny nandevenana ny zanakay…  ? ”

« Raharaha  Anjozorobe » – Fitakian’ny Antandroy: “Aiza ny nandevenana ny zanakay…  ? ”

Tsy mbola mifarana eo. Namory mpanao gazety tetsy 67 ha ny zanak’Androy, omaly  nampahatsiahy indray ny “Raharaha karieran’Anjorobe” niteraka  fahafatesan’ny  zanak’izy ireo. Nitondra  porofo amin’ny  tsy maha afa-bela  ny  zanaky  ny  filoha teo aloha, Rajaonarimampianina izy ireo.

Takin’ny  zanak’Antandroy ny hanoroan’ireo nahavanon-doza ny toerana nandevenana an’i Mandinisoa ao Anjozorobe,  tamin’ireny raharaha momba ny  kariera any an-toerana ireny. “ Aiza ny nandevenana ny zanakay  ? Takinay ihany koa ny hampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy ary tsy hanavahana na iza na iza izany”, hoy ihany izy  ireo.

Ankoatra izany, naseho ampahibemaso teo anatrehan’ny zanak’Androy ny sary sy ny horonantsary manaporofo ny nandraisan’ny zanaky ny filoha  teo aloha,  Rajaonarimampianina anjara tamin’ny raharaha nahafaty an’i Mandinisoa. Nohitsin’izy ireo fa  tsy hipetra-potsiny intsony ireto Raiamandreny ireto, manomboka  izao.  “Hisy ny fitetezam-paritra hatao manerana ny Nosy hanehoana amin’ny zanaka Antandroy sy ny Malagasy  izany, hanaporofo ny maha meloka ny zanaky ny filoha  teo aloha”, hoy  ihany izy ireo.

Hanohana ny kandidà  laharana  faha-13 amin’ny  fifidianana

Tsiahivina  fa anisan’ny  fanambarana nataon’izy ireo, omaly ny fanohanany tsy misy fepetra ny kandidà  Rajoelina noho ny ezaka vitany.  “Hany mpitantana tonga voalohany nitondra fanampiana tany Androy nandritra ny kere nanjo ireo mponina tany. Hanao ny herinay rehetra izahay hanohanana azy  ka  miantso ny zanaka Antandroy rehetra hanohana azy”, hoy ihany izy ireo.

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique