Flash
Préc Suiv

Toamasina: 1 221 ny mpiadina teknika

Amin’ny ankapobeny, nidina ny isan’ny mpiadina eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika ao Toamasina, araka ny fanazavan’ny filohan’ny oniversite, i Velo Jerome, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Ho an’ny fampianarana ankapobeny,  tsy misy afa-tsy 27 446 izany raha nahatratra 28 667 izany ny taon-dasa. 1 247 kosa ny fampianarana teknika ny taona 2017 ary nidina ho 1 221 ny taona 2018.

Fa raha eo amin’ny foiben-toerana18 no misy fanadinana bakalorea anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Betsaka mpiadina indrindra i Toamasina izay mahatratra 6 350. Faharoa Ambatondrazaka, miisa 3 438, raha fahatelo amin’ny hamaroan’ny mpiadina kosa i Fenoarivo Atsinanana. Vitsy mpiadina indrindra kosa i Marolambo, tsy misy afa-tsy 204 monja ny ao aminy.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.