Flash
Préc Suiv

Aretina alzheimer: azo ampiana amin’ny « ergothérapie » ny marary

Aretina alzheimer: azo ampiana amin’ny « ergothérapie » ny marary

Anisan’ny nisongadina teny amin’ny fampahafantarana ny asa sahanin’ny ONG Masoandro mody Madagascar Alzheimer, ny zoma lasa teo, ny fisian’ny sampam-pitsaboana vaovao, « ergothérapie », tao anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina alzheimer. « Fanampiana ny olona amin’ny asa fanaony andavanandro nefa lasa manahirana azy ny tanjona », hoy ny tomponandraikitra iray. Mety ho an’ny zokiolona voan’ny alzheimer na olona manana fahasembanana amin’ny vatana na saina ny fitsaboana ka ananany fahaleovantena tsy tanteraka fa amin’ny ampahany ihany. Sivy amin’izao fotoana izao ny manampahaizana momba io fitsaboana io miasa amin’ny toeram-pitsaboana sy foibe manokana.

« Ankoatra izay, miara-miasa amin’ny mpitsabo manokana ny « neurologie » ny foibe Masoandro mody amin’ny fanofanana ny « auxilliaire de vie » mikarakara ny olona voan’ny alzheimer », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Rason Randriamaro Yollande. Eny amin’ny foiben’ny fikambanana eny Fenomanana Mahazoarivo ny fanofanana ho an’ireo vonona amin’izany.

Miasa tsy mbola mahazo tohana avy amin’ny fanjakana ny fikambanana amin’ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny alzheimer fa misy ny malala-tanana manohana azy ireo. Hetsika manaraka ny fampisehoana iarahana amin’ny Quartor Squad eny amin’ny ISTS Mandrimena ny 29 septambra ho avy izao, ho fanangonam-bola ho an’ny fikambanana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.