Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, ny alarobia lasa teo teny ambanin’ny kolejy Rasalama, ny tovolahy iray, mpanendaka findain’ireo olona any anaty fiara. Eny amin’ny faritra Bel’Air, Besarety ary Rasalama iny ny tena fanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Miaraka roa na telo izy ireo amin’izany.

Saron’ny polisy, mbola ao amin’ny boriborintany fahatelo hatrany, ilay tovolahy anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanolanana ilay tovovavy teny Ambatomaro, ny 15 septambra teo. Telo lahy izy ireo no niaraka nanao ny filàn-dratsiny. Voasambotry ny polisy ny androtr’io ihany ny tovolahy iray nandray anjara tamin’izany

Les commentaires sont fermées.