Flash
Préc Suiv

Noho ny hasarotam-piaron’ilay rangahy: maty notsatotsatohiny antsy ny vadiny

Noho ny hasarotam-piaron’ilay rangahy: maty notsatotsatohiny antsy ny vadiny

Vaovao mampalahelo no nitsena ny andron’ny mponina eny Ambatonjara Ankadindratombo, omaly maraina. Vehivavy iray no hitan’izy ireo maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao an-tranony.

Nioron-koditra ny iray tanana! Teny Ambatonjara Ankadindratombo, kaominina Alasora no nitranga ny tantara, omaly maraina. Hitan’ny mpiara-monina, nivalampatra nihosin-dra, feno tsatok’antsy ny tarehy sy ny loha ary efa tsy nisy fofon’aina intsony ny renim-pianakaviana iray. Sadaikatra sady nalahelo, satria sarotra ny hanampo hoe hisy olombelona hahavita zavatra toy izao ary hisy olombelona nizaka fangirifiriana toy ny nihatra tamin’ity renim-pianakaviana ity.

Tsy nisy nahita ny zava-nitranga tao amin’ny tokatranon’ilay ramatoa niharam-boina sy ny fomba nanatanterahan’ilay nahavanon-doza, izao heloka bevava izao. Na izany aza, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto mpiray vodirindrina aminy ireto hatrany, mikorontan-dava ny tokantranon’izy mivady.

Ny antony, saro-piaro loatra rangahy. Mitranga matetika ny fifamaliana eo amin’izy mivady, noho io toetra ratsy io ary, matetika, miafara amin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Ilay ramatoa no niaritra ny fanenjanan-tsandrin-drangahy vadiny, ambaran’ny mponina ao an-toerana fa mandray zava-mahadomelina ihany koa.

Asa na fifandrifian-javatra, na ahoana, tsy hita izay nanjavonan’ilay rangahy nialoha ny nahitan’ny fokonolona ny razana, araka ny fijoroana vavolombelon’ny olona maromaro. Fihetsika izay tena mampiahiahy ny mpitandro filaminana izany ka nahatonga azy ireo hirotsaka avy hatrany amin’ny fikarohana fatratra ity raim-pianakaviana ity.

Araka izany, ahiahina ho tompon’antoka voalohany tamin’ny famonoana ity vehivavy ity ny vady andefimandriny. Mitohy ny fanadihadiana.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.