Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nifarana tanteraka ny vanim-potoan’ny ririnina eto Madagasikara raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsyAmpandrianomby rehefa nataon’izy ireo ny fandalinana samihafa mahakasika ny toe-tany sy ny toetry ny andro. Manamarina izany avokoa ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ny fampitahana teo amin’ny maripana. Tsara ny manamarika fa amin’ny ankapobeny dia nafana kokoa ny ririnina 2018, raha noharina tamin’ny tokony ho izy sy ny tamin’ny taon-dasa. Miditra amin’ny vanim-potoana manasara-taona isika, amin’izao fotoana izao, maharitra telo volana eo ho eo dia ny volana septambra, oktobra ary novambra.

Hotokanana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny Tanàna Tranombitsika ho an’ireo Tily eto Madagasikara. Hiainga eo Ambatofotsy Avaradrano ireo hiatrika ny fanokanana rehetra, anio maraina. Hitondra ny boky volamena isam-paritany ary hanao fitafy arakarak’ireto kaontinanta efa nofaritana avy ny isam-paritany. Hitondra famantarana kely mampiavaka ny isam-paritany ihany koa. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy amin’ny 11 ora atoandro ny vavahadin’ny Tanàna Tranombitsika. Hisy ny fanompoam-pivavahana, hanombohana ny fotoana ary fitsidihana ny toerana rehetra avy eo.

 

Les commentaires sont fermées.