Flash
Préc Suiv

Hetsika  eny amin’ny seksiona: raikitra ny « Baskety Be » an’Ambohidratrimo

Hetsika  eny amin’ny seksiona: raikitra ny « Baskety Be » an’Ambohidratrimo

Hotanterahina ny 13 oktobra izao ary haharitra telo volana ny “Baskety Be” iarahana amin’ny seksiona Ambohidratrimo. Hatao amin’ny kianja roa eny amin’ny RFI Ivato sy eny Ambohidratrimo izany ary hanasana  ireo ekipa manana ny sokajy U12,  U14,  “Senior” ary “Vétéran”  izany. “Misokatra ho an’ny rehetra  izany,na  klioba, na orinasa,na fokontany,  na fiangonana, afaka mandray anjara  avokoa.  Tanjona  ny hanairana  ireo ekipa matoritory min’izao fialan-tsasatra izao”, hoy ny filohan’ny seksiona Ambohidratrimo  (SBBA), Rajoelimanantsoa Fidison  Phaelien, tetsy Andranomena, omaly. Mpanohana izany hetsika izany sady mpiara-miombona antoka kosa ny eo anivon’ny orinasa  Nogae developpement .  “Manana  finiavana  ho amin’ny  fampivoarana  ny  tanora sy ny fanatanjahantena ny SBBA ka  resy lahatra izahay, hiara-kiasa amin’izy ireo. Anjara birikinay izany ho fampivoarana  ny fiarahamonina koa”, hoy  ny talen’ny varotra,  Rabearison Heritiana.

Manana klioba enina ny  SBBA ary manana mpilalao manana kara-pilalaovana miisa  474. Dingana vitan’ity seksiona ity ny maha tompondaka nasionaly ny ekipany ASF zazavavy  U12, taona 2018 sy  ny  nahavoafidy ho mpilalao mendrika an-dRandriamasimanana Harena Henintsoa ao amin’io klioba io ihany

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.