Flash
Préc Suiv

Fanamafisana ny andron’ny vaksiny: hotanterahina amin’ny distrika 59

Fanamafisana ny andron’ny vaksiny: hotanterahina amin’ny distrika 59

Distrika 59 amin’ny faritra 11 no hanatanterahan’ny fanamafisana ny andron’ny vaksiny andiany faha-14, manomboka ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra izao. Nosafidiana manokana ireo distrika ireo noho ny tahan’ny fanaovam-baksiny mahazatra mbola ambany raha mitaha amin’ny tahan’ny fanaovam-baksiny nasionaly, araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamarotia Willy, omaly teny Ambohidahy. Na efa nahazo ny taratasy manamarina fa afaka amin’ny aretina aza i Madagasikara, tsy maintsy tohizana ny ezaka ary ampiakarina ny tahan’ny fanaovam-baksiny mahazatra ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny faha herintaony. Zaza 2 tapitrisa sy sasany no kendrena ho vita vaksiny miaro amin’ny poliomelita ao anatin’ny hetsika. Tokony hatao vaksiny avokoa ny zaza katsaky ny 5 taona vita vaksiny, na tsia, tsy misy anavahana.

Toy ny fanao mahazatra,  mandeha mitety tokantrano sy amin’ny toerana mahavory olona, toy ny tsena, ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony, manao ny vaksiny miaro amin’ny poliomelita.

Manamafy ny hery fiarovana efa ananan’ny zaza ny famerenana ny vaksiny ary tsy misy fiantraikany amin’ny toe-pahasalamany mihitsy. Ny zaza latsaky ny 5 taona no mety ho voan’ny aretina poliomelita, indrindra ireo tsy nahavita vaksiny. Miseho amin’ny fahalemena tampoka eo amin’ny ratsam-batana ny fitrangan’ny aretina. Fomba azo isorohana ny fihanaky ny tsimokaretina poliomelita koa ny fanasana tanana amin’ny savony sy rano mialoha ny hisakafoana ary rehefa avy amin’ny toeram-pivoahana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.