Flash
Préc Suiv

Boriborintany  VI: fanadiovana hiadiana amin’ny pesta

Boriborintany  VI: fanadiovana hiadiana amin’ny pesta

Niara-nientana nanao fanadiovana faobe teny amin’ny boriborintany fahenina ny ekipan’ny kaominina Antananarivo rehetra niara-niasa tamin’ny fanatontosana ny asa fanadiovana, omaly. Nifarimbona tamin’izany koa ny fokonolona nanerana ny fokontany 32 ary ny RF2 ao amin’ity boriborintany ity, miisa 650.

Nozaraina faritra enina ny fokontany miisa 32 voakasiky ny fanadiovana. Anisan’izany, Ankazomanga, Anosivavaka, Antanety Atsimo parking ao amin’ny biraon’ny boriborintany fahenina, Andranomena, Ambohimanandray ary ny tsenan’Ambohimanarina.

Araka ny fanambaran’ny delegen’ny boriborintany, Andriamananjezika Fehizoro, natao izao hetsika izao mba hisorohana ny mety ho fiavian’ny aretina pesta izay manomboka maha be resaka, amin’izao fotoana.

Tsy ny lalam-pirenena ihany no nodiovina teto fa ireo lalan’ny kaominina ihany koa. Ankoatra izay, teo ny fanesorana ny loto manentsina ny lakandrano. Nisy ny antso avo  natao tamin’ny tompon’andraikitra manala ny fako, na ny manana andraikitra manandrify izany hanao ny asany hanala ny fako efa misavovona amin’iny toerana ao anatin’ny Boriborintany fahenina iny. Nentanina koa ny mponina mba hitandro mandrakariva ny fahadiovana, satria izay tsy mandoto dia efa naman’ny manadio ihany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.