Flash
Préc Suiv

Haintrano nahatsiravina tany Taomasina: trano anjatony ravan’ny afo

Haintrano nahatsiravina tany Taomasina: trano anjatony ravan’ny afo

 

Nisesisesy indray, tato ho ato, ny doro tanenty. Toy izany koa ny haitrano. Ny fotoana toy izao indrindra no mampirongatra azy ireny. Ny tranga farany, ny omaly tany Tanambao fahadimy-Toamasina. Takaitra goavana no navelan’ny tsy fitandremana kely.

Nihazakazaka ny fiitaran’ny afo tamin’ity haintrano tao amin’ny fokontany 13/81 Tanambao fahadimy ity. Raha manodidina ny 50 tafo no efa may, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any, tafakatra maherin’ny 100 izany, ora roa taty aoriana, araka ny tombantombana.

Ankoatra izany, nisy olona roa naratra voan’ny fanitso sy fantsika tamin’ny fotoana namonjen’izy ireo ny tranony sy ny nitaterana ireo entana. Nisy olona iray hafa koa, may, noho ny famonjena ireo fananana.

Raha ny fanadihadiana natao tany an-toerana, nanomboka tamin’ny 1 ora sy 50 minitra ny firehetan’ny afo, omaly tolakandro. Niainga avy tamin’ny tokantrano iray ny afo. Nikarakara “bonbon coco” ny tao ary tsy namono ny afo teo am-patana, nialoha ny handehanany. Niitatra ka nahazo ny tokantrano nifanila taminy izany, avy eo, ary toy izany hatrany.

Mifaneritery, rahateo, ny tranon’ny mponina ao amin’ity fokontany ity, noho izy tsy tokony hanaovana trano fa tsena vonjimaika izy ity, teo aloha. Nandritra ny fidinana ifotony teny an-toerana no nahitana ny fahataran’ny fahatongavan’ny fiarabe an’ny mpamonjy voina, efa 30 minitra aty aoriana. Efa nihaodihaody teo mialoha kosa ny lehiben’ny vondrona mpamonjy voina, ny kolonely, Raymond Charles Desiré. Nitady hevitra ahafahana mampiditra ny fiaran’ny mpamonjy voina eo amin’ilay toerana izy, saingy sarotra ny nanatanterahana izany, noho ny fahateren’ny lalana.

Noho izay rehetra izay, tany amin’ny fitaterana rano amin’ny paompy an-tany no noheverin’ny niharam-boina sy ny fokonolona hamonoana ny afo. Nananosarotra anefa izany noho ny fihazakazaky ny afo, tsy hay notohaina. Soa ihany fa nifanome tanana avokoa ireo orinasa manana fiara mpamonjy voina, nanampy tamin’ny famonoana ny afo.

Tamin’ny 5 ora sy fahatelony teo ho eo vao nanomboka voafehy sy tsy nahina hiitatra intsony ny afo, tamin’ity haintrano goavana tao Tanambao fahadimy ity.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.