Flash
Préc Suiv

Zaka tsara

Eo hatrany ny vola…

Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izao. Tsy inona no aelin’ireo kandidà mitety faritra sy mamory vahoaka fa hevitra na foto-kevitra, fandaharanasa, vinam-piarahamonina…

Amin’izany, mahabe resaka ny sasany ny amin’ny hoe fisian’ny fizarana vola, hono. Misy kandidà manao izany? Na manaiky vidina vola ny olom-pirenena noho ny fahasahiranana efa ho lava.

Misy koa ireo kandidà manao fanangonam-bola indray: hanaovana fampielezan-kevitra sy hanatanterahana vina, hono. Tahaka ny fanangonana ny hevitra sy ny hetahetam-bahoaka ihany izany.

Eo hatrany ny resa-bola amin’ny fifidianana? Na mandany, na mahazo… Misy ny mandona tapany hahazoana erany toy izay mirotsa-kofidina hahazoam-bola fotsiny, mody  manao fampielezan-kevitra.

Ao koa ny voadona tapany mandoa erany tahaka ny vahoaka mahazo kely ary hanonitra izany mandritra ny fe-potoam-piasana, raha mifidifidy fahatany amin’ireo mividividy foana?

R. Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.