Flash
Préc Suiv

Fanatanjahantena an-tsekoly: vonona ny ho voalohany ny Dren Analamanga

Fanatanjahantena an-tsekoly: vonona ny ho voalohany ny Dren Analamanga

Anisan’ireo handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly hatao any Toliara ny 28 septambra ka hatramin’ny 7 oktobra ho avy izao, ny sampan-draharaham-paritry ny fanabeazam-pirenena Analamanga (Dren Analamanga). Atleta 74 mianadahy, miaraka amin’ny mpanazatra 5 no hisolo tena an’Analamanga, amin’ity,  nampahafantarina ny mpanao gazety, tetsy Analakely, omaly. Hifaninana amin’ny taranja iombonana miisa 6 sy ho an’olon-tokana 10, izy ireo. “Vonona ny handrombaka ny laharana voalohany Analamanga, amin’ity”, hoy Andrianilanona Jery, talem-paritra Analamanga. Tsiahivina fa laharana fahefatra no nisy an’Analamanga,  tamin’ny taon-dasa. Anisan’ireo, hanana ekipa amin’ny baolina kitra, natokana ho an’ny tovovavy 12 – 13 taona, Analamanga, efa niomana fatratra.

Haneho ny maha an’Analamanga azy, ireo mpianatra mandritra ny andro fialan-tsasatra, ka hampiseho ny fomba fitafy avy eto afovoan-tany sy ny kolontsaina mampiavaka an’Analamanga ary ny tontolo iainana. Hanainga, ny talata 25 septambra, ny delegasiona ary hipetraka ao amin’ny Lycée Laurent Botokeky. Mbola handalo fitiliana ny taonan’ireo mpianatra na ny “visite somatique”, ny alakamisy 27 septambra.

Ankoatra izay, nohararaotina ihany koa ny fotoana nampisehoana ireo fitaovana, solosaina miisa 8 sy “projecteur” miisa 2 ary “imprimante”, azo tamin’ny fitadiavam-bola, nataon’ireo mpiasa. Tanjona, ny fanamafisana ny fampiasana taratasy ary koa fitantanana ny fahalalana, ary hahazoana ny vokatra tsara sy haingana.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.