Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety: nodimandry i Chirstophe Haja

Asa fanaovan-gazety: nodimandry i Chirstophe Haja

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-mpanatanjahantena malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly alarobia 19 septambra, ny namana Rasolonomenjanahary Haja Christophe. Mpikirakira ny vaovao, indrindra fa ny ara-mpanatanjahantena, tao amin’ny onjam-peo Radio Tana, Itompokolahy, nialoha izao nahafaty azy izao.

Niditra hopitaly, i Christophe Haja, ny alahady lasa teo, noho ny fanaviana nahazo azy, saingy tsy nahatana ny ainy ny fitsaboana nomena azy. Raha tsiahivina, ny taona 1997 i Christophe Haja no niditra teo amin’ny asa fanaovan-gazety, ka nanombohany izany ny tao amin’ny Radio Antsiva.  Nifindra tao amin’ny Radio Tana izy, ny taona 2008 ka hatramin’ny nahafatesany. Mpikambana feno ary mpanetsiketsika ny fikambanana Association des journalistes sportifs de Madagascar (AJSM), izy ary mpiandry tsatobin’ny mpanao gazety, taranja baolina kitra. 44 taona i Christophe Haja, izao maty izao. Namela mananotena sy kamboty mirahalahy. Andrasana, eny amin’ny trano fonenany eny Ankadindramamy, ny razana, amin’izao fotoana izao. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra, dia maneho fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny asa fanaovan-gazety.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.