Flash
Préc Suiv

 Lalam-pihariana volontsangana: mitondra tosika ho an’ny toekarena

 Lalam-pihariana volontsangana: mitondra tosika ho an’ny toekarena

Nankalazaina, omaly 18 septambra, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny volontsangana. Anisan’ny nanamarihana izany ny fampirantiana ny zava-bita aminy. Marihina fa ahitana karazana volontsangana, volobe, bararata, miisa 40 eto Madagasikara, raha maherin’ny 1.600 maneran-tany. Maro ny azo ampiasana ny volontsangana, nefa vitsy ny mahalala. Eo ny hanaovana azy ho fanaka, ny kojakoja ao an-tokantrano, ny angovo fahandro hatao kitay, …Vitsy ny mahalala fa fihinana koa ny tsirina volontsangana, saingy mila mahafantatra ny karazany.

Famokarana indostrialy

Misy ny fandaharanasa Prosperer, manana ny lalam-pihariana natokana ho an’ny volontsangana. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana azy, miainga any amin’ny fambolen-kazo, ny famokarana zana-kazo, ny fanodinana azy, ny fikarohana lalam-barotra, sns. Tafiditra ao anatin’ny dingana fahatelo ny tetikasa ny fifantohana amin’ny famokarana indostria, ho manara-penitra sy hiteraka asa ary tanjona ny fanondranana any ivelany. Miasa any amin’ny faritra sivy ny lalam-pihariana volontsangana ao anatin’ny Prosperer, ary tanjona ny hipariahany manerana ny Nosy.

Njaka Andrinatefiarinesy

Les commentaires sont fermées.