Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Notohizana teny amin’ny faritra manasaraka an’Anjanahary II N sy Besarety Gerchard ny asa fanadiovana tao amin’ny boriborintany V, omaly. Niara-nanatanteraka izany ireo ekipa teknika sy ireo mpamafa lalana, sady nofafana ny lalana no nosokirina ny tatatra, nandritra izany. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny herinandro ny asa.

Hitohy hatrany amin’ny faritra hafa ny fanadiovana ho fampianarana ny mponina ahalala hitandro ny fahadiovana.

Mijoro ny fikambanan’ny mpiray dina (Soa Miray Dia) ao amin’ny kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao. Ho fanitarana izany, hahenika ny faritra Matsiatra Ambony manontolo dia anjaran’ireo kaominina andrefan’Ambohimahasoa indray izao. Vonona ireo vahoaka ao an-toerana rehefa avy naneho ny ahiahiny sy ireo hetahetany hifanome tanana amn’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. “Tsy natao hifamono ny samy Malagasy ka entanina manokana ireo mbola zatra manao làlan-dririnina hiova ho amin’ny fanao tsara fa mbola fotoana izao”, hoy Andriamatoa Lehiben’ny Faritra, mijoro amin’ny maha-raiamandreny azy.

Les commentaires sont fermées.