Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe: niangaran’ny mpitsara i Taratra

Tsipy kanetibe: niangaran’ny mpitsara i Taratra

Resin’ilay Frantsay, Dylan Rocher, teo amin’ny famaranana tamin’ny «tir de précision», i Taratra, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany «Mondiaux 2018», taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, notanterahina,  ny alahady lasa teo, tany Desbiens faritra avaratr’i Kanadà. Niharihary ny fitongilanan’ny mpitsara, nanditra ity fifaninanana ity satria, tifitra indroa misesy nataon’i Taratra no nolavina ka nanomezana isa 0 azy. Nambaran’ilay mpitsara fa miala aloha ao anaty faritra hanipazana ny kanetibe, i Taratra. Tetsy ankilany, nomena vahana, i Dylan Rocher ka natao mihitsy izay nahazoany isa, ambony mihoatra amin’i Taratra.

Vokany, resy tamin’ny isa, 57 no ho 47, ny solotena malagasy. Raha tsiahivina, lavon’i Taratra teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa, 53 no ho 32, ilay Maraokanina, Hicham Boulassal. Ilay Italianina, Diego Rizzi kosa no resin’i Dylan Rocher, tamin’ny isa, 55 no ho 38.

Voahosotra ho tompondaka eran-tany, ho an’olon-telo miaraka kosa ny ekipa frantsay, rehefa nanilika an’i Maraoka, tamin’ny isa, 13 no ho 7.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.