Flash
Préc Suiv

Angovo avy amin’ny masoandro: niampy efatra ny vehivavy voaofana 

Angovo avy amin’ny masoandro: niampy efatra ny vehivavy voaofana 

Niverina an-tanindrazana ny alahady lasa teo ireo renim-pianakaviana efatra rehefa avy niofana tany India, ny volana marsa lasa teo. Naharitra enim-bolana ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro natrehan’izy ireo tany Tilonia. Voasafidy mialoha tany amin’ny toerana niaviany avy izy ireo hanao ny fiofanana. Tao amin’ny Barefoot college no nandray ny mpiofana izay tsy nandia fianarana na koa nianatra ihany fa tsy nahatody lavitra ny ankamaroany. Momba ny teknolojian’ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no votoatin’ny fiofanana tany. Hatramin’ny niatombohan’ny tetikasa, 27 ny vehivavy malagasy voaofana niaraka amin’ny fanohanan’ny Madagascar National Parks sy ny WWF.

Vokatry ny fiofanana, efa misitraka herinaratra ny tokantrano 1400 fampiharana ny fiofanana azo tany India. Hitondra ny fahaizana norantovina tany Tilonia i Miariline avy ao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina Belo Tsiribihina, avy any distrikan’I Betioky Atsimo kosa, ry Modestine, Marinasy ary Marie. Tokantrano 400 no hahazo tombontsoa ka hahazo herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao amin’ny tanàna niaviany avy.

Ho fanohizana ny asa, hisokatra ny taona 2019 eto amintsika ny kolejy Barefoot miaraka amin’ny minisitera misahana ny angovo.

Vonjy A.

 

Les commentaires sont fermées.