Flash
Préc Suiv

Tselatra  

 

Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina na Stup tao anatin’ny hetsika “Opération de ratissage” teny amin’ny faritra Anosizato sy Andranomena ny jiolahy miisa sivy tratra teo am-pifohana sy am-pivarotana rongony. Araka ny fanazavan’ny polisy, sarona teny Anosizato eny amin’ny fefiloha akaikin’ny tetezan’Ampasika ny dimy amin’ireo jiolahy ireo, ny zoma tolakandro teo. Nahatrarana rongony 40 fonosana ny iray amin’izy ireo izay mpivarotra sy mpamatsy rongony amin’iny manodidina iny. Ny efa-dahy kosa, avy amin’ny fitarainan’ny olona teny an-toerana ka ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo olona nitaraina ireo no nahafahana nisambotra ireto efa-dahy ireto.

Tafaverin’ireo zandary mpanao « Opérations Mandio » any amin’ny faritra Androy sy Anosy ireo omby miisa 120 nangalarina andian-dahalo, ny 13 septambra 2018 tamin’ny 4 ora maraina tao Antevamena Imanombo, distrikan’Ambovombe. Dahalo telo kosa indray lavon’ny balan’ny zandary ka tsy afa-nanohy ny asa ratsiny intsony raha azo sambo-belona kosa ny iray amin’ireo lehiben’ny dahalo. Araka ny fanazavan’ny zandary, eo amin’ny 50 lahy eo ho eo miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireo andian-dahalo nanafika tao an-tanàna. Nanampy ny zandary nifampitifitra tamin’ireo dahalo ny helikopteran’ny Tafika malagasy izay mitsinjo lavitra ny alehan’ireo dahalo.

Les commentaires sont fermées.