Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana ny talen’ny Ceg sy ny Daf Cisco Antsalova, afakomaly ny valim-panadinana BEPC 2018. Araka ny fampitam-baovao, teo Antsalova lalana mihazo an’i Bekopaka, 20 km miala an’i Bekopaka no nitrangan’ny fanafihana. Naratra ireto mpiasam-panjakana ireto noho ny herisetran’ireo malaso ka lasan’izy ireo tamin’izany ny valim-panadinana BEPC niaraka tamin’ireo telefaonina finday sy ny entana sasany tao an-trano. Efa nisy ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ity raharaha ity.

Niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, omaly ny sambo espainola L-52 Castilla izay hanao fanazaran-tena manokana miaraka amin’ny tafika an-dranomasina Malagasy. Tonga any an-toerana nanome voninahitra izany ny masoivohon’i Espaina sy ny avy amin’ny vondrona eoropeanina miasa eto Madagasikara. Tafiditra indrindra amin’ny ady amin’ireo jiolahin-tsambo sy herisetra any faritra Golfe d’Aden ary Oseanina Indianina ity fanazaran-tena ity. Nanomboka omaly ity fanazaran-tena ity.

Les commentaires sont fermées.