Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Hitohy isaky ny alakamisy ny fivorian’ny Ceni  amin’ny endriny vaovao, ahitana ny solontenan’ireo kandida filoha miisa  26 amin’izao  fotoana  izao. Na  izany aza, mbola miantso  ireo kandidà 10  hafa  tsy mbola nandefa solontena ny eo anivon’ity  rafitra mikarakara ny fifidianana ity mba handefa izany, hahatongavana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra  sy mangarahara.

Hihaona amin’ny vahoakan’Ivato ny kandidà laharaha faha-25,  Ravalomanana rahampitso alahady eo  Mamory.  Efa avy any Morondava sy Mahabo ny  tenany  tamin’ity  herinandro  ity ary izao ho eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo  izao  indray, hamelabelatra ny fandaharan’asany.

Les commentaires sont fermées.