Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

“Tôty sy ny mozikany”
“Lalao iray izay tiany indrindra…” nalaina tamin’ny “Misy antony”, hiran’i Tôty nampihirainy an’i Lalatiana. Io koa ny lohahevitra entina hahatsiarovana ity andrarezin’ny mozika ity, mandritra ny fiarahana, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Tôty sy ny mozikany” no indray hotsarovan’ireo tanora nandimby, ahitana an’i Antsiva, i Bim, i Lilian, i Fandresena ary i Harintsoa.

Iraimbilanja – Trass
Hiverina eny amin’ny Trass Tsiadana indray ny tarika Iaimbilanja, anio alina. Fotoana andrasan’ny mpankafy hatrany izany, satria mifanakaiky kokoa azy ireo ireto mpanakanto ireto, rehefa toy izany. Hafa kokoa mantsy ny migoka ny hakanton’ireo hira tsy lefin’ny taona nifandimby, eo akaiky eo. Mampiavaka hatrany ny fiarahana ny fanaovan-dry Batata sy ny tariny hirana mpanakanto hafa vahiny rehefa “cabaret” toy izany.

Nangonin’i Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique