Flash
Préc Suiv

Tamin’ny taonjato faha-18: teto Imerina ny Zafimaniry manana razambe Merina

Tamin’ny taonjato faha-18: teto Imerina ny Zafimaniry manana razambe Merina

Ny taonjato faha-18, voasesitany tao Alasora ny foko Zafimaniry. Taorian’izay, nivelona tany anaty ala sy teny an-tendrombohitra izy ireo, nanomboka ny taona 1790. Efa niaina manodidina an’Ankitsika, tena mangatsiaka any Antsirabe, ny foko Zafimaniry… ary tonga amin’ny faritra misy azy ankehitriny.

Araka ny lovantsofina, nipoitra avy amin’ny Andriatsimaniry ny Zafimaniry, nandositra an’Imerina noho ny raharahan-ketra sy ny tsy fifandaminana eo amin’ny samy foko. Noho izy ireo avy amin’io Andriatsimaniry io ny nitondran’izy ireo ny anarana Zafimaniry, ara-bakiteny hoe mivelona any anaty ala.

Razamben’izy ireo Ranirivola sy Reniavola, araka ny fikarohana nataon-dRasanjison Dominique, hitany avy amin’ny boky nosoratan’i Louis Mattei, momba ny fomban’ny foko Tanala. Merina ireo razambe ireo fa nandositra niala ny faritra havoana noho ny ady tanimbary.

Betsaka ny tantara mifamahofaho momba ny Zafimaniry fa ny iray no tena azo antoka : tsy misara-belona mihitsy io foko io amin’izay alehany rehetra, ary voaporofo hatramin’izao fahapotehan’ny ala izao izany. Manana ila arabo izy ireo, araka ny toe-batany, raha ny fandalinana nataon’ny Unesco, endrika hebreo mihitsy hatrany am-boalohany.

Manana ny mampiavaka azy manokana

Ankoatra izay toe-batana izay, manana ny fomba fiainany ny Zafimaniry : ny kolontsaina mivelona any ambanivohitra amin’ny asa tanana sy ny asa tany. Hita izany eo amin’ny taovolo, ny fomba fahandro, ny fitsaboana voajanahary, ny fifandraisana eo amin’ny samy fianakiavana sy ny eo anivon’ny fiarahamonina, ny fomba fifampiresahana, sns. Mampiavaka ny Zafimaniry daholo ireo.

Ny andavanandrom-piainany any an-tsaha, mandrary, manao sokitra. Fanaon’ny tokantrano iray, ny reniny sy ny zanany, ny mandrary satrobory. Katsaka voatoto ny foto-tsakafon’ny Zafimaniry, manome hery azy ireo.

Miasa tany ny rehetra, 2.500 Ar ny karama na « sarakantsaha » iray andro raha ho an’ny vehivavy, ary 3.000 Ar raha lehilahy. Any Amoron’i Mania no tena ahitana azy ireo, ao amin’ny kaominina Antoetra, Ambohimitombo I, Ambohimitombo II, Ambinanindrano, Ivohidahy, ary vao haingana ny kaominina Ankanditsararavina.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique