Flash
Préc Suiv

CGM Analakely: hiaka-tsehatra ry Ragasy Band

CGM Analakely: hiaka-tsehatra ry Ragasy Band

« Musique du monde » manana faka sy aingam-panahy malagasy. Io ny nanazavan-dRagasy ny hira hataony miaraka amin’ireo dimy mianadahy ao anaty tarika Ragasy Band. Rahampitso manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, no hanehoan’izy ireo izany ho an’ny mpitia zavakanto rehetra. Ankoatra io aingam-panahy hoenti-mamorona io, manana mpikambana teratany vahiny ihany koa ny Ragasy Band. « Mitendry gitara beso sy mitsoka trompetra izy ireo. Anisan’ny mampiavaka ny tarika Ragasy Band ihany koa anefa ny fampiasana karazan’amponga malagasy maro. Anisan’ny manamafy sy mamaritra ny karazan-kira hataonay enina mianadahy ireo», hoy Ragasy.

Ankoatra ny famoronan-kira sy fitendrena zavamaneno, mpikaroka manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny amponga Ragasy. « Ny 70%-n’ny amponga hoentin’ireo tarika na mpanakanto teratany malagasy miatrika fampisehoana any ivelany, saika namboariko avokoa», hoy izy. Ho hita sy ho re mandritra ity fampisehoana rahampitso ity avokoa ireo karazan’amponga ireo, raha ny fanazavany hatrany. Anisan’izany ny amponga maroanaka mazavaloha, ny amponga B52 ahitana karazan’amponga valo ao anatiny. Olona iray ihany anefa ny mitendry (mikapoka) azy ireo. Ao ihany koa ilay karazana amponga antsoina hoe tary miampy ny marovakana. Ny amponga vy izay mahavariana tokoa satria afaka mihira, sns.

Nomarihin-dRagasy fa tsy hihira sanganasan’olon-kafa ny Ragasy Band amin’io fotoana rahampitso io fa ny hiran-dry zareo ihany no hoentina eny an-tsehatra. 13 ny hira efa nomanina, raha ny fanazavany.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique