Flash
Préc Suiv

BFV-SG: manohana ny fambolena

BFV-SG: manohana ny fambolena

Manan-danja eto amintsika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, miantoka ny 25%-n’ny harinkarena faobe (PIB). Araka ny tatitry ny EBDM, firenena azo antoka hampiasam-bola eto Madagasikara, amin’ny lafiny fandraharahana (agri-business), ho an’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny avy any ivelany satria ahitana ny otrikarena voajanahary maro sady tsara toerana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny IPSOS, ny jona farany teo, voalohany amin’ny karazana banky tena sahaza ny mpanjifa ny BFV-SG.

Mahatsapa ireo zava-dehibe ireo ity banky ity, mahatonga azy hanao tohana manokana ho an’ny mpanjifa, mandritra ny foara ho an’ny fambolena sy ny fiompiana atao eny Tanjombato (13-16 septambra). Ahena tarehimarika roa ny zanabola amin’ny tolotra Soafeno Maika, manan-kery hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao. Mivoaka afaka roa andro ny fampindramam-bola. Ahena tarehimarika telo miohatra amin’ny mahazatra ny tahan’ny zanabola ho an’ny mpandraharaha mindram-bola honerana mandritra ny fotoana antenantenany (moyen terme). Manoro hevitra sy manampy ny mpitsidika ny BFV-SG, mandritra ity foara ity.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique