Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo: zandary telo miandry ny fitsarana azy

Asan-dahalo: zandary telo miandry ny fitsarana azy

Nosamborina noho ny firasaina tsikombakomba amin’ny dahalo ny zandary telo avy any Ambatofinandrahana. Miandry ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana izy telo lahy amin’izao fotoana izao. Mbola misy ny famotorana atao azy ireo ka antony tsy mbola ahatongavan’ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Araka ny fanazavana azo, anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny dahalo nanafika tany Ambatofinandrahana ireo zandary ireo, ny 13 aogositra lasa teo. Voalaza fa mpanome vaovao ny dahalo izy ireo alohan’ny hanafihany. Taorian’ny fisamborana ny sasany tamin’ireo dahalo, fantatra ny fisian’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpanao asa ratsy. Anisan’ny fahotana mahafaty nataon’ireto zandary ireto izao nataony izao ka ho henjana ny sazy miaramila, ankoatra ny an’ny fitsarana. Manaporofo itony tranga itony fa ny mpitandro filaminana ihany no jiolahy, na miray tendro amin’ny jiolahy. Avy aiza tokoa moa ny basy eny amin’ny olon-dratsy, tsy avy amin’ny mpitandro filaminana ihany? Heverina fa ny marina manodidina izany ny tokony havoakan’ny fitsarana, ary tsy ho afa-maina ny mpitandro filaminana tratra amin’ny asan-jiolahy tahaka izao.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.