Flash
Préc Suiv

Ambalavao: saron’ny polisy ireo jiolahy namaky ny lycée teknika

Ambalavao: saron’ny polisy ireo jiolahy namaky ny lycée teknika

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambalavao, afakomaly, ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny famakiana ny lycée teknika ao Ambalavao Tsienimparihy, ny 26 aogositra 2018 lasa teo. Very nandritra ity fanafihana ity ny entana maromaro, toy ny seza, ny “niveaux”, ny “barre à pince”, ny “rideaux” sy ny entana maro samihafa. Nanao fikarohana avy hatrany ny polisy ary tratra niaraka tamin’ireo entana halatra ireo ny jiolahy enina tompon’antoka tamin’ity halatra fitaovana tao amin’ity sekolim-panjakana ity. Tafaverina ao amin’ny sekoly ihany ny ankamaroan’ny entana very. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra famotorana nataon’ny polisy ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.

Fa noraisim-potsiny koa ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny halatra bateria mandeha amin’ny masoandro sy “régulateur” ary lamban-databatra iray ao amin’ny CEG Anjomà Ambalavao Tsienimparihy ihany. Ny alarobia 5 septambra 2018 lasa teo no nitrangan’ity halatra ity. Ireo jiolahy nangalatra ny fitaovam-panjakana tao amin’ny lycée teknika ihany ireto nangalatra tao amin’ny CEG ireto. Lasibatry ny jiolahy indray ny sekolim-panjakana.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique