Flash
Préc Suiv

Zaka tsara

Tsy tan-dalàna…

Tsy mety mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna eto amintsika? Eny, na ho an’ny mpitondra tokony ho filamatra amin’izany aza. Saika tsy fidiny hatrany ny fanarahan-dalàna noho ny fitakiana etsy sy eroa. Raha tsy misy mahita sy mamaky bantsilana ny tsy fanarahan-dalàna, hararaotina sy tohizana hatrany.

Tsy ny lalàna tsinona no heverina ho zava-dehibe, fa ny toerana misy ny tena sy izay tombontsoa manokana amin’izany. Hany ka misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, afa-manao izay tiany hatao.

Tsy ahoana izay fanajan-dalàna hoe mandamina sy mandrindra ny fiarahamonina mbamin’ny tany sy fanjakana ho amin’ny fahatsarana sy ny fandrosoana, fa mbola mijanona amin’ny tahotra fahafaham-baraka, fanasaziana… Rahoviana vao ho tena soatoavina, mandeha ho azy, hifampifehezana… ?

Izany no anisan’ny mahasarotra sy mahamafy izay atao sy lazaina rehetra noho ny tsy fifampitokisana, fifampiandrasana kendry tohina… Mandra-pahoviana? Mila fiovana sy fanovana amin’izay…

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.