Flash
Préc Suiv

Tselatra

Omby miisa 50 novoina an-tsokosoko tao amin’ny toeram-pamonoana omby ao « Cité Canada » Toamasina no saron’ny zandary, afakomaly alina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary no nahitana fa misy henomby mivoaka amin’ny alina ao amin’ny abatoara ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany ny zandary. Tsy afaka nampiseho na taratasy iray aza momba ny omby miisa 50 novonoiny ireo mpiasa tao ka nanilika izany tamin’ny veterinera izay lazain’izy ireo ho manana ny taratasin’omby. Nanontaniana ity farany ka nilaza fa tsy manana izany taratasy izany kanefa nolazainy fa mbola any amin’ny tompon’ombiny izany izay tsy eo an-toerana. Nifanilikilihana fotsiny ity raharaha ity ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique