Flash
Préc Suiv

Tsiroanomandidy: tratra ny jiolahy nanafika tao amin’ny mompera Tsarahasina

Tsiroanomandidy: tratra ny jiolahy nanafika tao amin’ny mompera Tsarahasina

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena tamin’ny fahatrarana jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny mompera Tsarahasina ao Tsiroanomandidy, ny volana jolay lasa teo. Afakomaly no tratran’ny polisy ity jiolahy ity. Araka ny fanazavan’ny kaomisera Tafeno Rolly, jiolahy efa mpamerin-keloka ity voasambotry ny polisy ity ary manamafy ny fanaraha-maso ireo olona mampiahiahy hatrany ny polisy. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no indray niditra an-keriny tao amin’ny toerana nisy an-dry mompera ao amin’ny  fokontany Tsarahasina Tsiroanomandidy. Nisy tamin’ireo jiolahy ny nijanona niandry teny ivelany raha niditra an-keriny tao an-trano kosa ny hafa. Tsy afa-nihetsika ireo mpanompon’Andriamanitra manoloana ny fitaovaom-piadiana teny am-pelatanan’ireo jiolahy. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 6 hetsy Ar niaraka tamin’ny telefaonina finday, kara-panondro sy taratasy fahazoana mitondra fiarakodia. Tsy nianona tamin’izay anefa ireo malaso fa nifindra tao amin’ny efitrano iray hafa nisy mompera iray 55 taona. Lasan-dry zalahy koa ny vola 2 hetsy Ar an’ilay mompera. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Nisy tamin’ireo jiolahy no voadarok’ireo mpanompon’Andriamanitra niharan’ny fanafihana tamin’io fotoana io.

J.C

Les commentaires sont fermées.