Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny manodidina ny CEG Ampefiloha noho ny resaka harom-paosy ny jiolahy iray. Raim-pianakaviana iray no niharan’ny herisetran’ity jiolahy ity. Mody nodominy ilay raim-pianakaviana sady nanararaotra naka ny telefaonina finday teny aminy ilay jiolahy. Olona nahita ny fanendahan’ilay jiolahy no nanenjika azy ka noraisim-potsiny ka natolotra ny polisy ao amin’ny PPA Ampefiloha. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique