Flash
Préc Suiv

Tsaralalàna: nahazo fitaovana ireo mpamonjy voina

Nanolotra fitaovana maromaro hanampiana ny fahaiza-manaon’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna ny ONG Manda Life, omaly. Nahitana boky entina hanovozana sy hanatevenana ny fahalalan’ireo mpamonjy voina sy fanafody ary fitaovana ilaina amin’ny famonjena voina, hanalefahana ny fanaintainan’ireo tratry ny loza, izany fitaovana izany.

Raha ny nambaran’ny lehiben’ny mpamonjy voina, ny commandant Ramanoara Francky,  santatra ihany izao fiaraha-miasan’ny ONG Manda Life sy ny mpamonjy voin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izao. Mbola hitohy ny fanomezana fitaovana, araka ny nambaran’ny ONG Manda Life.” Miezaka mitady hatrany ireo mpiara-miombon’antoka hahafahana manatsara ny asa satria sarotra ny asan’ny mpamonjy voina, indrindra mihamaro ny loza eto amin’ny tanàna, ao anatin’izany,” hoy ny tompon’andraikitra.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique