Flash
Préc Suiv

Orinasa SMMC: fanamparam-pahefan’ny tale jeneraly vaovao

Orinasa SMMC: fanamparam-pahefan’ny tale jeneraly vaovao

 Nanao ny fivoriambeny ny Adopt, ny asabotsy 8 septambra teo tetsy amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Saika ambentin-tenin’ny mpivory ny mikasika ny fomba tsy mazava ataon’ny tale jeneraly vaovaon’ny orinasa SMMC, i Niriko Tsiringe Rosalien ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Anisan’izany ny fomba nanendrena azy satria voalaza fa nanampy vola ny komity mpanohana an-dRajoelina Andry amin’izao fifidianana ho avy izao ny tale jeneraly teo aloha, nodimbiasany. Voatatitra tany amin’ny filankevitry ny minisitry ny Fitaterana, ny 9 aogositra, izany ka voatery nesorina ny tale jeneraly teo aloha, i Jean Berthin.

Amin’izao fotoana izao, tsikaritra sahady ny fihetsika tsy mazava ataon’ny tale jeneraly vaovao, i Niriko Tsiringe Rosalien. Fantatra fa nomeny fiara tsy mataho-dalana 4×4 (V8) ny minisitry ny Fitaterana, izay misy milaza fa havany. Manampy izany, notendreny ho mpanolontsaina manokany i Marolahy Pierre, efa tale jeneralin’ny Orinasan’ny seranan’i Toamasina (Sept) teo aloha.

Sajo

Les commentaires sont fermées.