Mbola raharaha iray amin’ireo 18 nahavoarohirohy azy izao nahazoan-dRazaimamonjy Claudine fahafahana madiodio izao. Na izany aza, mbola mijanona ao am-ponja vonjimaika any Manjakandriana izany, ity mpandraharaha akaiky ny fitondrana ity, satria mbola misy raharaha 17 izany mbola miandry azy. Niakatra fitsarana (Pac) 67ha, omaly izany ary anisan’ny nahazo fahafahana tahaka azy koa ny tompon’andraikitra misahana ny tsenam-baro-panjakana (PRMP). Mbola any am-ponja kosa ilay ben’ny Tanànan’Ambohimahamasina, anisan’ny voarohirohy amin’izao tranga fanodinkodinam-bolam-panjakana sy kolikoly izao, ary efa notakin’ny mpisolovava ny hamoahana azy io satria mpanatanteraka fotsiny ihany ary tsy nahalala na inona na inona izy io.
Tsiahivina fa efa notsaboina teny amin’ny HJRA ny tenany rehefa safotra taorian’ny nivoahan’ny didy tamin’izany ny volana avrily 2017. Nalefa tany Maorisy avy eo… Naverina an-tanindrazana ary nafindra teny Antanimora. Niafara any Manjakandriana, nanomboka ny volana jolay 2017.
Randria
Les commentaires sont fermées.