Flash
Préc Suiv

Hisy ny fivoriambe rahampitso: hijery vahaolana maharitra ny mpitondra taxi

Voafaritry ny sata mifehy ny fikambanan’ny mpitondra taxi eto Antananarivo (FTAR) fa misy ny fivoriana isaky ny roa taona ataon’ny mpikambana tarihin’ny birao. Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fihaonana, rahampitso alakamisy amin’ny 1ora sy sasany antoandro. Mpikambana ao avokoa ny mpamily fiarakaretsaka miasa rehetra eto Antananarivo mahatratra 7 800 ary hasaina hanatrika ny fivoriana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Raharinirina Clémence, omaly teny Ankazomanga. Hojerena mandritra ny fivoriana ny ezaka vita rehetra tao anatin’ny roa taona nitondran’ny birao ny fitantanana ny fikambanana. Teo ny fampidinana ny saran’ny fijanonana sy ny fanafoanana ny “droit d’agrément” notakin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny ady mbola atao sy hotohizana ny fanafoanana ny mpisandoka ny asan’ny mpitondra taxi nefa tsy nahazo fahazoan-dalana hanao izany eto Antananarivo.

Fotoana koa hitadiavana vahaolana maharitra momba ireo olana mbola sedrain’ny mpitondra taxi ny rahampitso eny Ankorondrano. Anisan’izany ny toeram-piantsonana tsy voafaritra mazava hatramin’izao ka miteraka olana amin’ny mpampiasa lalana sy ny mponina eto Antananarivo satria vitsy ny faritra malalaka afaka mandray ny taxi.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.