Flash
Préc Suiv

Hiakatra fitsarana, anio: vola vahiny iray kontenera simban’ny merkiora

Hiakatra fitsarana, anio ny momba ilay  “Raharaham-bola vahiny iray kaontenera”, simba  noho ny merkiora. Anisan’ny tompon’antoka amin’izany ny vehivavy roa nisoloky sy nivadi-pitokisana amin’ireo nanampy sy niara-niasa tamin’izy ireo. Nahalafo  merkiora nahazoana vola vahiny iray kaontenera  izy ireo. Notahirizina  tao an-trano  izany  niaraka amin’ny ambin’ny merkiora  tsy lafo. Nivadika sy simba anefa ireo volabe ireo noho  io akora io niray toerana  taminy. Voatery nitady teknisianina mahay manadio izany ireo tompom-bola mba  hanadiovana  sy hamerenana amin’ny laoniny indray ireo vola simba ireo. Lafo be anefa ny vidin’ny tavoahangy iray amin’ny akora  fanadiovana  satria mitentina 20 tapitrisa Ar izany. Nikaroka mpamatsy vola maromaro  ireo vehivavy ireo mba hahafahana manadio  izany ary  homena amin’io vola io ireo mpiara-miasa  ireo rehefa voadio izany, miaraka amin’ny zana-bola. Nividianana  akora nanadiovana ilay vola izany fiaraha-miasa  izany.  Tsy araka izany anefa ny nitranga fa  tsy nety  tafaverina  amin’ireo nampindrana  izany vola  izany. Nidiran-trosa mihitsy aza ny sasany.

Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana

Tao koa  ireo nametraka fitoriana noho ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Nanitrikitrika rahateo ireo vehivavy roa ireo fa  diovina avokoa  ireo vola vao homena  ny anjarany ireo  namatsy vola. Tsy  vitan’izany  fa tsy maintsy mbola  hanaovana “fombafomba” koa  izany. Izany hoe nilalao fotoana koa ireto vehivavy ireto ary  nisy fotoana aza nambara fa tsy  salama na narary saina mihitsy izy ireo. Tao anatin’izany  rehetra izany, nanjavona ny antontan-taratasy momba io  raharaha io na koa tsy nisy tohiny.  Tsy nisy ny fampidirana am-ponja vonjimaika na fihazonana ireo  vehivavy roa  ireo fa vitavita  ho azy  teny  hatrany ny  raharaha.

Manoloana izany rehetra izany, andrasana anio  indray ny ho tohiny,  rehefa nifandrirarira sy tsy  nahitam-bokany nandritra ny fotoana maro ny fitoriana sy ny  fitarainan’ireo namatsy vola ireto vehivavy roa  ireto.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.